Alahady 1 mey 2022 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-19

Ny sira mineraly dia singa kely ilain'ny vatana isanandro, tsy vokarin'ny vatana fa entin'ny sakafo. Misy karazany roa ny sira mineraly ireo lehibe kokoa sy ireo madinika : ny calcium, phosphore, potassium, chlore, magnesium ; iode, fer, Zinc. Miteraka tsy fahasalamana ny tsy fahampian'ny sira mineraly noho izany dia ilaina hatrany ny manao fitilina raha vao misy tranga mampiahiahy amin'ny fahasalamana...

♦ Naverina hitantana ny ekipam-pirenena Barea indray i Nicolas Dupuis. Mijanona ho mpanohana voalohany ny Barea kosa i Eric Rabesandratana... ♦ Ilaina ny famerana ny fandaniam-bola ampiasain'ny Kandidà amin'ny fampielezan-kevitra hoy ny Safidy, mba hisorohana amin'ny fifanarahana miafina eo amin'ireo kandidà sy ny mpisehatra hafa, avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany... ♦ Hisy ny fanambarana lehibe ho ataon'ireo vovonana sy sendikan'ny mpiasa malagasy rahampitso mandritra ny fanamarihana ny fetin'ny asa... ♦ Raikitra ny fidinana an-dalambe any Mexique hanoherana ny famonoan'olona izay efa maherin'ny 30.000 isan-taona...

♦ Mirona any amin'ny fampiakaran'ny sehatra tsy miankina, ny karama farany ambany ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry. Mbola andrasana ny tohin'ny dinika teo aminy sy ny sehatra tsy miankina... ♦ Nahazo fahafahana nody saingy napetraka eo ambany fanarahamason'ny fitsarana ireo mpanolontsaina monisipaly roa ao Antananarivo renivohitra, taorian'ny ny fiakarany fampanoavana omaly... ♦ Mbola tsy mitombin-tsaina amin'ny fanatanterahany ny asany ny veterinera. Nisy veterinera iray indray voaantso eny amin'ny zandarimaria Andoharanofotsy taorian'ny fampidirana am-ponja ny naman'izy ireo tany Morondava... ♦ Notanan'ny miaramila Russe ny mpilatsaka an-tsitrapo britanika roa izay nigadona tany Ukraine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...