Ny asa fivelomana dia asa miantoka ny fiainana mba ahafahana mivelona, misy vokatra mahavelona ho an'ny tenanao sy ny toeram-piasana. Ny asa dia mivoatra ary ilaina mivoatra manaraka izay koa ny fomba fisainana. Ny asa no tomombana dia noho ny fanomezan-danja ny lafiny ara-teknika sy ny arak'olona. Ny olona ao anatin'ny fitoniana ara-tsaina sy ara-batana, lavitry ny horohoro, dia mamokatra tsara....
♦ Tsy mahasoa ny firenena ny fikasana hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta hoy ny Praiministra Ntsay Chrisitan. Ilaina ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakana, mba ahafahana manarina ny firenena taorian'ny krisy... ♦ Niaka-dapa hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity nanomboka omaly ny parlemantera malagasy... ♦ Tsy mbola nisy haino amanjery nakatona sy mpanao gazety nogadraina hatramin'ny fotoana nandraisana ny fitantanana hoy ny ministry ny serasera omaly 03 mey, andro manerantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety...
Ny fahafahana dia taratr'ilay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fahafahana akory tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-dohan'ny olona amin'Andriamanitra, noho izy arin-tanany ; azo heverina ihany koa fa ny fahafahan'ny zanaka dia tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-doha eo amin'ny ray aman-dreny niandohany. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 4 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco