Toy izao no nanehoan'i Kristy ny fahantrany izay tokony hotahafin'ny relijiozy : Nanao tsinotsinona ny fahamboniana nananany teo aloha Izy mba hampanankarena antsika olombelona (2 Kor. 8, 9). Misy toetra roa anehoan'ny relijiozy ny fahatrana : ny firotsahana sy ny fahatokisana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49
♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina mialoha ny amin'ny 8 ora alina izao ilay rivodoza Emnati. Nihena ny heriny, ary tany amin'ny Distrikan'i Beroroha izy tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo... ♦ Vitsy ireo mpianatra afaka bakalorea no vonona handray anjara amin'ny fidirana ho taona voalohany ao amin'ny FLSH, eny Ankatso... ♦ Mitaky fifonana ampahibemaso avy amin'ny Solombavam-bahoaka Andry Ratsivahiny, ny Fivondronamben'ny Mpampianatra Fanatanjahan-tena...
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io". Fa hoy i Jesoa taminy: "Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra".
Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: "Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy". Fa izao no navalin’i Jesoa azy: "Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao".
Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao". Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra hoe: "Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao". Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco