14 taona niasana teto Madagasikara ny tetik'asa PROSPERER. Nisitraka tohana avy amin'izany ireo tantsaha, ny tanora, ny mpanao asa tanana, ny orinasa samihafa misehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra. Nifarana tanteraka ny tetik'asa nanomboka ny volana jona 2008 tamin'ny alalan'ny atrik'asa tao amin'ny Colbert Antaninarenina...

Niabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa PROSPERER na ny FANOITRA tao anatin'ny 14 taona niasany teo amin'ny fampiroboroboana ny fihariana teny ambanivohitra, na teo amin'ny famokarana sakafo na teo amin'ny fanomezana asa ny tanora. Hoy ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana Ramilison Harifidy, raha namarana tamin'ny fomba ôfisialy ny tetik'asa PROSPERER izy ny 03 mey 2022 teo.

Orinasa madinika eny ambanivohitra ho an'ny tantsaha maherin'ny 60.000 no nijoro. 300.000 isa ny olona nahazo tombotsoa  mivantana tamin'izany. Nanofana tanora hafolaka ny famokarana eny ambanivohitra hatrany amin'ny 6.600 isa ihany koa ny tetik'asa. Niara-niasa tamin'ny sehatra tsy miankina ihany koa ny tetik'asa. Hatrany amin'ny 35.5 tapitrisa Dolara kosa ny vola nokirakirain'ny orinasa tao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny tantsaha mpamokatra.

Seha-pihariana 21 no notohanana. Haharitra lovain-jafy ny voka-tsoa tamin'ny sehatr'asan'ny PROSPERER ireo na dia mifarana aza ny tetik'asa hoy ny ministra Ramilison Harifidy ; efa nofanina hahay hitantana ny sehatr'asany mantsy ny mpahazo tombotsoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...