Ny vokatry ny fahotana dia ny fahaverezan'ny maha olona ny olona, ary ankoatra izay dia mety havita zavatra tsy azo sainina. Marihana fa ny fahotan'ny tsirairay dia tonga ho fahotan'ny fiaraha-monina rehefa mihitatra sy mitambatra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 30 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 16-21
♦ Tsy maintsy jerena haingana sy ao anatin'ny fotoana fohy ny fampiroboroboana ireo sehatr'asa fiharian'ny mponina amin'ny ankapobeny ary jerena ihany koa ny vahaolana lavitr'ezaka amin'izany, araka ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Basy miisa 1089 sy bala 40 cartouches no nopotehina teny Analakely androany, anatin'ny iray volan'ny famontsoran-keloka faobe momba ny fitaovam-piadiana... ♦ Mitohy ny fikarohana ireo olona enina nisy naka an-keriny tany Maevatanana, araka ny nambaran'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena...
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco