Alahady 1 mey 2022 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-19

Mandinika ny misterin’ny fitsanganan-ko velona ao amin’ny sakramenta isika, eto dia mifantoka indrindra amin’ny sakramentan’ny Eokaristia.

Raha mbola very hevitra ny apostoly fa toa fongana tanteraka izay nantenaina dia nanapa-kevitra hiverina amin’ny asany taloha. Adinon’izy ireo ve sanatria ny fiantsoan’i Jesoa ho mpanarato olona ka aleony mandeha miverina amin’ny fanaratoana mahazatra.

Nandeha nanarato tokoa ireo apostoly, araka ny tenin’i Jesoa dia tsy mora ho azy ireo ny mahalala azy Kristy tafatsangan-ko velona. Efa fanintelony izao no nisehoany saingy tsy fantatr’izy ireo ihany, toy ny olona mbola tsy hitany akory. Tsy fiverenana amin’ity fiainana mantsy ny fitsanganan-ko velona fa fiakaran’i Jesoa amim-boninahitra any an-danitra.

Tsara ny mampahafantra antsika fa eto dia tsy 12 ny apostoly tafaraka fa fito : i Piera ilay nanda nilaza fa tsy nahalala an’i Jesoa, i Toma ilay tsy nino raha tsy nahita maso, ireo zanak’i Zebede roalahy izay nikasa handatsa-baratra amin’ny Samaritanina tsy mitovy hevitra aminy, i Natanaela izay nanaja fatratra ny fomban-drazana saingy vonona handray ny Vaovao Mahafaly ary mpianatra roalahy tsy misy anarana ; ny iray amin’ireo moa ao aoriana kely nolazain’i Joany fa ilay mpianatra malalan’ny Tompo.

Mpanjono ny apostoly sy i Piera ka ny hanala ny olona ao anatin’ny haizin’ny ranomasina no nimasoany araka ny hafatra napetraka taminy, ambaran’i Jesoa fa toy ny hahavelomany ao amin’ny Ray no ahaveloman’izay mandray azy ao aminy. Ny ain’Andriamanitra araka izany no raisin’izay mandray komonio, ka tsy afaka ho sambatra sy ho velona izy raha tsy mifanaraka amin’izany, tahaka ny zava-maniry ao anatin’ny tany, ny trondro ao anaty rano, ary isika olombelona miaraka amin’Andriamanitra.

Hanampy antsika hizotra amin’ny fahasambarana makany an-danitra anie ny fandraisana Komonio.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...