Endrika isehoan'ny fahafahan'ny olombelona ny fananana manokana. Ny nolavin'ny finoana kristianina hatramin'izay dia ny zo hanan-javatra manokana tsy misy fepetra ary tsy azo tohinina. Ny fananana  manokana dia fitaovana enti-milaza fa natao ho an'ny daholobe ny harena eran-tany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 17 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31a

♦ Nitondra fanazavana androany ny sendikan'ny Administrateurs Civils na ny SYNAD, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny solontenam-panjakana tany amin'ny distrikan'i Soavinandriana, mifandraika amin'ireo hetsika nokasain'ny antoko pôlitika natao tany an-toerana... ♦ Mbola mitaintaina amin'ny vidin'ny lavanila ireo mpamboly any Nosy Be, na dia efa hisokatra tsy ho ela aza ny tsenan'ny lavanila... ♦ Hamolavola tolo-dalana hanamafisana ny sazin'ireo mpanolana sy mpanao herisetra ny Solombavam-bahoaka Massy Goulamalie...

♦ Samy nankalaza Eokaristia Masina ho fisaorana an'Andriamanitra ny mpanara-dia an'i Fr. Charles de Foucauld sy P. Guistino Russolillo, ary i Sr. Marie de Jésus, eto Madagasikara, noho izy ireo nasandratra ho Olomasina... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny 15 mey 2022 ny andro nasiônalin'ny TAMPIKRI... ♦ Nosokafana ny 15 mey 2022 ny jobily faha-100 taonan'ny batemy voalohany tao amin'ny EKAR Masindahy Louis, Manakara, Vohipeno...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...