♦ Nitsidika ny VDKT Tsiroanomandidy ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora, hanamafy ny fanentanana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Mada X... ♦ Tontosa ny 7 mey 2022, ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Katôlika Victoire Rasoamanarivo, ao Mananjary... ♦ Nanao filan-kevitra nasiônaly tsy ara-potoana ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara...

Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...

♦ Dimampolo taona tao aorian'ny hetsika 13 mey 1972, tsy mbola tratra ny tanjona tamin'ny tolona. Miantso sy mampahery ny vahoaka Malagasy mba hanorina indray, ny RDS... ♦ Olona roa mpianaka no maty, vokatry ny fihinana voaveo, any Mahazony, Farafangana. Mbola marary kosa ny renim-pianakaviana, vadin'ny maty... ♦ Tao aorian'ny fanovan-dalana teny Antanimena sy Ankorondrano, harindra indray ny fampiasana ny lalana eny Andohan'Analakely. Hihatra manomboka ny alahady 22 mey izao izany, hoy ny eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...

Ny malagasy dia mametraka ny fihavanana sy ny firaisan-kina ho soatoavina, maika lavitra noho izany àry ho an'ny kristiana satria "mitia hatramin'ny fahavalo" araka ny nangatahan'i Jesoa Kristy. Ny ray aman-dreny dia mampita io soatoavina io amin'ny zanany satria " mahita ny ataon'ireo lehibe ireo ao an-trano ny zanaka", ary mihitatra any amin'ny fiaraha-monina sy ny manodidina izany. Manampy ny mpivady hiaina ny fifankatiavana marina ny "Mariazy mirindra" ka manolotra faran'ny herinandro fototra amin'ny volana Jona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...