♦ Androm-pahasoavana ho an'ny Eglizy katolika ny 15 mey 2022, fotoana nanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 10 ka isan'izany i Fr Charles de Foucauld, i Mompera Guistino Russolillo... ♦ Fianakaviana Malagasy hatrany amin'ny 1.190.000 farafahakeliny no kendrena ahazo tany, amin'ny alalan'ny fanomezana kara-tany azy ireo, anatin'ny taona iray, hoy ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany... ♦ Ny sabotsy teo ihany dia efa nilamina ny any amin'ny Bazarin'i Manakara, taorian'ny sahotaka nisy tamin'io andro io...

♦ Nikatona omaly ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana fanao isan-taona. Niakatra 1,91% ny olona voasoratra anarana, raha ny lisitra vonjy maika navoakan'ny CENI tamin'ny 28 febroary 2022 teo... ♦ Mila mametraka ny Masoivoho Malagasy eo anivon'ny Firenena Mikambana i Madagasikara, raha mbola te hanohy ny fitakiana ireo nosy manodidina, araka ny hevitry ny antoko Madagasikara ho an'ny Malagasy... ♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny andrana ara-teknika ataon'ny orinasa mpamokatra siramamy any Antanifafy, any Mahajanga Faharoa...

Ny fandrosoan'ny sasany dia tsy ho vato misakana ny fivoaran'ny hafa, na hanararaotana hanandevozana azy. Aza hadinoina fa ny fakam-panahy hangoron-karena dia efa misy hatrizay. Tenin'ny Kristy ny hoe " katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany". Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 16 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...