Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony hoy izy. Ankehitriny ny fitiavana manokana ny mahantra dia mipaka hatrany amin'ireo vahoaka be tsy hita noanoa : noana, fadiranovana, tsy manan-kialofana, tsy afa-mitsabo, ireo kivy sy milaza ho resy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 19 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11

♦ Iray volana tao aorian'ny Oniversite maty sy ny Foibem-pikarohana maty, hiroso amin'ny fitokonana fanairana mandritra ny telo andro indray ny sendikà... ♦ Efa manomboka maresaka amin'ny fandraisana ireo vahiny mpizahatany ny any Nosy Be. Sidina folo isan-kerinandro no migadona any an-toerana... ♦ Maro ireo Solombavam-bahoaka tsy manatrika ny fivoriana eny Tsimbazaza. Hitondra ny heviny ato antin'izao vaovao izao ny Solombavam-bahoaka Rakotondrasoa Fetra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...