Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...

Velaran-tany 200 Ha mahery no horakofan'ny Fafiala ala ao amin'ireo Fokontany dimy ao amin'ireo Kaominina roa ao Bealalana ireo. Maherin'ny 300.000 ny zana-kazo ho vokarina, ankohatra ny sehatr'asa hafa atao momba izany, toa ny fanofanana ny tantsaha.

Sehatr'asa taorian'ny fahavitan'izy ireo ny tetik'asa fambolen-kazo niarahana tamin'ny PLAE andiany fahadimy tao amin'ny distrikan'Ambanja ary tao amin'ny distrikan'Antsohihy kosa niarahana tamin'ny PLAE andiany fahaefatra.

Hankalaza ny faha 30 taona nijoroany ny FAFIALA. Hisy ny varavarana misokatra hanokafana izany hatao eny amin'ny foiben-toerany eny Ambohimangakely manomboka ny talata 17 mey 2022 izao hanehoana ireo teknika fampandrosoana voizin'ireo eny ambanivohitra nandritra izay 30 taona izay.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...