Talata 17 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31a

Ny fiadanako no omeko anareo. Alohan’ny hahafatesany sy hitsaganany ho velona ary hiakarany ho any amin’ny Ray dia maneho fitiavana tamintsika i Kristy amin’ny alalan’ny firariany fiadanana ho antsika, izay fiadanana tsy afaka omen’izao tontolo izao. Tsy inona izany fa ilay fiadanana apetrany ao am-pontsika tsirairay avy. Ka isika tsirairay no asaina hampanjaka izany fiadanana izany. Ka tokony hamirapiratra eny amin’ny fomba fitondran-tena sy ny tavantsika ary ny fomba fiainantsika io fiadanana nomen’i Kristy io. Ka inona eo aminy lafin’ny fiainantsika àry akehitriny no mila ity fiadanan’i Kristy ity ? Ny asako ve sa ny fifandraisako amin’ny hafa sa ny fifandraisako amin’ny tenako mihitsy ?

Isika tsirairay avy no tokony hametraka fanotaniana amin’ny tenantsika. Ilay fiadanana nomen’i Kristy tokoa ve no mitoetra ao am-poko ? Satria rehefa isika tsirairay no miaina fiadanam-po tokoa, dia mora amintsika ny hampanjaka ny marina, ny rariny ary ny hitsiny na aiza na aiza toerana misy antsika. Ny kristianina tokoa dia mitia sy manaja ary mifandray amin’ny hafa. Koa rehefa miaina io fidanana io tokoa isika dia mahazo matoky fa handray anjara amin’ilay toerana nomanin’i Kristy izay nialoha lalana antsika ary izy mihitsy no hiverina haka antsika tsirairay avy : "Efa renareo fa izao no voalazako taminareo : handeha aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo." Jesoa Tompo ô, omeo ny fahasoavanao izahay zandrinao mba hanananay marina ilay fiadanam-po, ary mba ho hainay ny hizara azy amin’ny manodidina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...