Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8

♦ Maty vokatry ny fanolanana sy ny tsindron'antsy nahazo azy, nandritra ny fanafihana, ny renim-pianakaviana iray, tany Ambohibary Ambohimanga, Kaominina Mandiavato, Distrikan'i Miarinarivo. Mbola manahy amin'ny valifatin'ireo jiolahy ny fianakaviana voatafika... ♦ Nampitandrina amin'ny mety handraisan'ny Solombavam-bahoaka andraikitra manoloana ny olan'ny angovo, ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena... ♦ Ny zotram-piaramanidina miainga eto Madagasikara mankany Dubai hatramin'izao, no tena ahiana hisian'ny fanondranana harem-pirenena...

♦ Sarona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro, ny bolongam-bolamena miisa 7 milanja 835 grama sy vatosoa 20 grama, saika entina antsokosoko ho any Srilanka... ♦ Tsy misy ampihimamba na Monopole ny fanondranana ny lavanila any ivelany, fa tena malalaka, fa tsy maintsy manara-dalàna ny rehetra te-hisehatra amin'izany... ♦ Fianakaviana iray mpanao charbon avy any Antazoho-Mahabo, indray no nataon'olona Firambany na Kidnapping... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...