♦ Tsy maintsy manaja ireo fepetra napetraka hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana ireo fiara hitatitra ny mpizaika amin'ny JMJ Mada-X hatao any Antsirabe ny 31 Aogositra hatramin'ny 04 septambra. Nivory nandinika ny momba izany ny mpikarakara ny JMJ sy ny teo anivon'ny ministeran'ny fitanterana omaly... ♦ Noraisin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly ny Ankoay ekipam-pirenena lahy sy vavy ho an'ny BasketBall latsaky ny 18 taona nandray anjara tamin'ny Afrobasket. Hanampy ny mpanao fanatanjahan-tena ny fanjakàna hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tsy ahomby hoy ny antoko otrik'afo ny dingana ataon'ny fitondrana momba ny fitakiana ireo nosy Malagasy bodoin'i Lafrantsa...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...