♦ Tanterahana ao Moramanga mandritra ny 5 andro ny atrik'asan'ny Filan-kevitra Nasiônaly ho an'ny Fanabeazana Katôlika. Manana solontena avokoa ny diôsezy manerana ny nosy. Atrik'asa andinihana ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2022-2023... ♦ Hanomboka ny voalohan'ny volana septambra ho avy izao ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an'ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany sy ny fanomezana kara-panondrom-pirenena ho an'ny feno 18 taona. Miisa 3 tapitrisa ny olom-pirenena hisitraka izany... ♦ Nanolo-kevitra ny handrafetana ny pôlitikan'ny harena ankibon'ny tany mialohan'ny hanaovana ny lalàna mifehy izany ny firaisamonim-pirenena...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...