04 aogositra — I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.

Sarotra ny miresaka finoana amin’izao fotoana izao ao an-tokatrano ao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fanabeazana azony ny Ray aman-dreny an-daniny, sy ny zanaka nateraka an-kilany. Na dia mianatra any amin’ny sekolim-pinoana katolika aza ny zanaka dia tsy mandeha ho azy ny fiainana ny finoana sy ny fifampizaràna ao an-tokatrano ao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Alakamisy 4 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-23

♦ Tsy mety intsony, hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la Continuité", ny fifanilihana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no mampahantra ny vahoaka sy ny firenena... ♦ Nanomboka androany ny foara iraisam-pirenena ho an'ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara, na ny FIER MADA andiany faha-23... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho azy enina mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja judo ny taona 2022 sy ny fibatana fonjam-by ny taona 2021, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...