Tsy maintsy nijoro ho vavolombelon'i Jesoa ny Eglizy katolika manoloana ny rafitra ara-politika, ara-piaraha-monina ary ny fanabeazana. Notanterahina ny sinaody iombonan'ny Nosy tamin'ny 07 - 12 oktobra 1975. Tanjona ny fanafahana ny olona rehetra amin'ny lafiny manontolo. Fandaharana momba ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara miaraka amin'i P. Abdon Rafidison, Recteur, Théologat, Faliarivo, Antananarivo

♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Papa, ao anatin'ny Tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Ezahana hilamina hatramin'ny 17 aogositra, ny fandraisana ireo tanora rehetra ho avy any amin'ny Diôsezin'Antsirabe, hiatrika ny JMJ Mada X... ♦ Hitsidika an'i Kazakhstan, ao Azia Afovoany, ny Papa François ny 13 hatramin'ny 15 septambra 2022...

Nanokana roa andro nikaonan-doha momba ny fijery tantsaha niompana amin'ny dingana fanohanana an'ireo tanora hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA.

♦ Maherin'ny roa alina ireo mpivahiny manerana an'i Madagasikara, nisoratra anarana ho any Antsirabe mandritra ny JMJ andiany faha-10, hotanterahana any an-toerana... ♦ Hanomboka amin'ny 3 ora folakandro eny Mahamasina anio, ny hetsika fanombohana ôfisialy ny Afrobasket ho an'ny latsaky ny 18 taona. Hiakatra kianja voalohany ao aorian'izay ny Ankoay, hifandona amin'ny ekipan'i Bénin... ♦ Tontosa omaly ny dinika savaranonando teo amin'ny solontenan'ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...