Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: "Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza."

♦ Mihatra nanomboka ny volana jolay teo ny saran'ny herinaratra vaovao ho an'ny indostria na ny TARIF OPTIMA BUSNESS. Hisy anefa ny sarany manokana hampiharina amin'ny sokajin'orinasa ara-indostria araka ny fanapahana nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Hampiroborobo ny voly kafe ao aminy indray ny ao amin'ny faritr'i Vatovavy manomboka izao. Voly isan'ny manana ny anjara toerany amin'ny toe-karena any amin'iny faritra iny... ♦ Manodidina ny 380 isa ireo olona voasambotry ny polisy tao Antananarivo renivohitra nandritra iny volana jolay teo iny. Miisa 05 ireo olona nanao halatra miaro herisetra miaraka amin'ny basy ka ny 04 isa maty voatifitra ary ny 01 azo sambo-belona...

♦ Tsy mety intsony hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la continuité" ny fifaniliana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no nampahatra ny vahoaka sy ny firenena. Tokony karohana aloha ny antony mampahatra ny malagasy vao miroso amin'ny fikaonandoha-pirenena... ♦ Nanahirana an'ireo mpampiasa fiara ny nahita Gazoil tato ho ato. Nanambara ny tale jeneralin'ny OMH fa mbola manana tahiry lasantsy sy Gazoil isika... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho ani'izy 6 mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja Judo taona 2022 sy ny fibatana fonjamby taona 2021, teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny filoham-pirenena Andry Rajoelina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...