♦ Mbola manana tahirin-tsolika ampiasaina mandritra ny tapa-bolana isika eto Antananarivo. Ampy ihany koa ny manerana ny nosy, ka tsy misy atahorana sy tokony hampikoropaka ny manjifa, satria ao anatin'izay, dia efa tonga indray ny famatsiana manaraka... ♦ Tsy mbola misy eto Madagasikara, fa efa valan'aretina any amin'ny firenena sasany any ivelany, ny Variole du singe. Na izany aza, efa miomana ny amin'ny ho fiatrehana izany ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Mbola karohin'ny mpitandro filaminana hatramin'izao Andriamatoa Patou, zanaky ny solombavambahoaka voafidy tany Mahabo noho ny fanononan'ny jiolahy antsoina hoe SOJA ny anarany ho mpiray tsikombakomba aminy...

♦ Ny fitsarana avo na ny ny Haute Cours de Justice fa tsy ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana "HCC" no manana ny fahefana amin'ny fampiatoana amin'ny asany ny filoham-pirenena rehefa mahita izy ireo fa misy tokoa ny fanitsakitsahana lalam-panorenana miverimberina ataony hoy ny HCC... ♦ Fito volana taorian'ny fianjeran'ilay angidimby nitondra ny SG tany Toamasina, mbola tsy fantatra mazava hatramin'izao ny tena antony nahatonga ny loza... ♦ Tsy nandray anjara tamin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana, notanterahina nandritra ny 2 andro, teny amin'ny ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena Ivato ny vovonam-pitantanana nasiônaly ny fampianarana tsy miankina amin'ny fanjakana...

03 aogositra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Lydie avy any Grèce, Asie izy ary nitoetra tao Phillipie. Tao amin’ny seranana atao hoe Égée no nivaro-damba sy nivaro-jaky, ary teo no nifankahitany tamin’i Masindahy Paoly sy i Masindahy Lioka ary i Silasy araka ny voalazan’ny Asan’ny Apôstôly 16, 14-15.

Ny fanambadiana dia lehilahy sy vehivavy mifanolotra fitia ka tsofin-drano eo anatrehan'Andriamanitra vao afaka miroso amin'ny asa-pahariana. Tsy tokony hatao andrakandrana ny fanambadiana. Ny fanambadiana dia tsy fitaovana hikarohana fahafinaretana fotsiny ihany ka noho izany dia ilàna fiomanana tsara. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...