♦ Hitohy ary tsy anavahana na iza na iza ny fanenjehina ireo tafiditra amin'ilay raharaha fanapohana solika, hoy ny ministry ny angovo sy ny akoran'afo omaly. Efa nisy fivarotan-tsolika nakatona, noho ity raharaha ity... ♦ Vao mainka miaina anaty fatiantoka ny JIRAMA amin'ny famokarana herinaratra. Efa lany sahady ilay vola fanampiana 500 miliara Ariary ho an'ity orinasam-panjakana ity, voafaritra tao anatin'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2022... ♦ Hampiasa logiciel vitan'ny teknisiana malagasy ny CENI amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny volana ôktôbra izao. Voalaza fa afaka hitsirika ireo anarana miverimberina na "doublons" io rafi-baiko io...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...