Talata 27 septambra 2022 — Masindahy Vincent de Paul — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35-38

Mankalaza an’i Masindahy Vincent de Paul, pretra mpiaro faharoa an’i Madagasikara, ny Fiangonana anio. Entintsika am-bavaka ireo mpanara-dia azy maneran-tany indrindra ny eto amin’ny nosintsika. Fantantsika fa na izy aza dia naniry ny ho tonga taty Madagasikara, izany no nahatonga azy ho mpiaro faharoa an’i Madagasikara. Anisan’ny asa pastoraly lehibe tontosain’ireo mpanara-dia azy ny ivon-toerana eny amin’ny Akamasoa miaraka amin’i P. Pedro. Ny Evanjelin’i Masindahy Matio 9, 35-38 no atolotry ny Fiangonana amintsika àry amin’ity fankalazana ity olomasina ity.

Soratra Masina milaza ny asa nataon’i Jesoa : nitety tanana sy vohitra, nampianatra, nanasitrana, nangoraka ireo vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary niangavy ny mpianany mba hangataka amin’ny tompom-bary haniraka mpinjinja amin’ny variny. Tenin’Andriamanitra misy andininy telo fa manan-danja satria mamintina ireo asa fanirahana ho an’ireo izay manara-dia azy. Mampahatsiahy ny asa ataon’ny Fiangonana : mampianatra, mitantana, manamasina.

Anjaran’ny vita batemy rehetra ny mandray anjara amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra, indrindra ny fampielezana ny Vaovao Mahafaly. Anisan’ny namporisihin’ny Papa Fransoa ny fandehanana mivoaka, tahaka an’i Jesoa nitety tanana sy vohitra, mijery ny zava-misy eny ifotony, mamangy sy mampianatra izay tena lavitra, Eglizy mivoaka moa no nolazain’ny Papa. Amporisihin’ny Soratra Masina isika hivoaka, tsy hiandry ny efa eo amin’ny toerana mahazatra ihany fa hazoto hitady ny very sy ny nania.

Ny fitantanana ny vahoakan’Andriamanitra dia ny fananantsika fo mangoraka tahaka an’i Jesoa, onena Izy mahita ireto vahoaka be tahaka ny ondry tsy misy mpiahy. Noho izany indrindra tsy maintsy mahalala ny ondry tsirairay izy, tsy maintsy fantatry ny mpiandry azy ny isany, sao sanatria nisy nania ka tsy fantatra ka very. Tsy maintsy fantatry ny mpitantana ny momba azy ireo mba ahafahany manampy azy, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy.

Ny hanamasina ny vahoakan’Andriamanitra no tanjon’ny Eglizy. Noho izany ilaina koa ny mpanamasina azy ireo. Efa tsinjon’i Jesoa sahady ny hamaroan’ny asa miandry ny Eglizy ka mamporisika Izy ny hitalahoantsika amin’Andriamanitra hatrany hanirahany mpinjinja. Ny fianakaviana, ny sekoly, ny Eglizy mihitsy no antsoina hikolokolo momba ny fiantsoan’Andriamanitra sy hivavaka ho an’izany. Izy Andriamanitra no angatahantsika, ary izy no mifidy sy manendry izay tiany. Tsy hatahotra izay nofidiny fa izy Andriamanitra no miantso ary izy koa no manome ny fahasoavana izay rehetra hahatontosana ny iraka izay ampanaoviny. Tsy tompony noho izany isika fa mpanompo tsy mendrika ka mandeha araka izay sitrapony. Anjarantsika mpiara-dalana amin’izay voafidy ary no miezaka manampy sy manohana ary mivavaka ho azy ireo mba ho tontosa araka ny tokony ho izy ny maha mpiandry ondry azy ireo.

Ry Jesoa Zokinay, aniraho mpiandry ondry araka izay sitrakao ny Eglizinao mba hisy hanamasina sy hikarakara ny vahoakanao ka tsy hisy hahatsiaro fa mandeha irery izy amin’ity fivahinianana ety an-tany ity. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...