Mizotra mian-dalana ny fanarenana ny diosezin'i Mananjary taorian'ny fandalovan'ireo rivo-doza nifanesy tamin'ny fiatombohan'ny taona 2022. Laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy ao Mananjary ankehitriny ny famerenana amin'ny laoniny ny foto-drafitrasa sy ny fiatrehana ny pastoraly sosialy, hiatrehana ireo olana ara-tsosialy vokatr'io rivo-doza io.Fiainan'ny Eglizy katolika ao Mananjary miaraka amin'ny Radio Aina.
Alahady 16 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
Ny Bibaka an-tenda na "goître" dia fivontosana amin'ny faritry ny tenda izay fivontosan'ny tiroida. Io tranga io dia mety ho toe-javatra mihelina tsy ilàna fitsaboana, na mety ho fambara amin'ny olana hafa mikasika ny tiroida, mety ho lehibe ka ilàna fandidiana. Ny bibaka an-tenda dia vokatry ny tsy fahampian'ny "iode" na efa tarazo, mety ho vokatry ny fifohana sigara, na raritsaina be loatra... Ny hôrmônina vokarin'ny taova tiroida dia ilaina amin'ny fiasan'ny : fo, atidoha, hozatra, taovam-pandevonan-kanina... Fambara : taitaitra, kizitina, mikorontana ny torimaso, mangovitra ny tanana, misakafo tsara fa mihamahia, midobodoboka be ny fo, tsemboka lava, manana olana @ taovam-pisefoana...
♦ Ravan'ny afo ny tanàna tao amin'ny Fokontany Labandy, Kaominina Maromadia any amin'ny Faritra Sofia. Trano miisa 120 tafo no kila hotohoto... ♦ Sarotra ny fifehezana ny afo ao amin'ny valan-javaboahary Ambohitantely ao amin'ny Distrika Ankazobe ato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena. Nahetsika avokoa ny ratsa-mangaika ao amin'ny tafika malagasy hanampy tosika amin'ny famonoana ny afo... ♦ Nahavitabe tamin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny Federasionan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM. Ny mpikambana izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroan'izany rafitra izany...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco