Afrika no kontinanta manana tanora be indrindra. Tombony ho an’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena iray izany raha toa voabe sy mahazo ny tohana araka ny ilaina ireo tanora. Maro anefa ireo fanamby atrehin’ny tanora amin’izao fotoana izao. Mila ampiana izy ireo manoloana izany, hahalala ny tenany, hamantatra sy soatoaviny ary hahay hametraka fitsipi-piainana izay hahafahany miatrika ireo zava-manahirana lalovany...
♦ Mbola tsy maty ny afo eny Ambohitantely Ankazobe hatramin'izao. Olona 600 no hifarimbona hamono ny afo eny an-toerana anio, izay hiara-hisalahy amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Mandeha amin'ny ampahany ny asam-pitsarana eny Anosy, na eo àry ny fitokonana ataon'ireo mpiraki-draharaham-pitsarana. Fitokonana izay efa naharitra herinandro... ♦ Nosoketain'ny mpanakanto sasantsany ho manjakazaka ao amin'ny OMDA ny antoko Freedom. Misy amini'reo mpanakanto, noho izany, no mitaky ny hanakatonana ny OMDA...
14 ôktôbra — Niaina tany amin'ny taonjato fahatelo tany i Calixte na Calliste ary martiry. Kristianina izy, fa andevo babo, ary nasain'ny tompony nitantana banky iray. Tsy nahay nitantana izy ka lasa bankirompitra izany banky izany ary nohelohina izy ho any amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tany Sardaigne.
Ny fijoroan'ny renim-pianakaviana ho mpanohana sy mpankahery ny vadiny dia efa tohana lehibe sady mandrisika azy hiasa. Adidin'ny raiaman-dreny ny mamelona ny zanaka, sady zon'izy ireo koa ny ho toy ny zana-bahoaka : misakafo, mianatra, mitafy, milalao. Ny fandraisana andraikitra sy fizarana asa madinika ao an-trano dia tsy fampiasana zaza fa fanazarana azy. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco