Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 35, 1-6a. 10

Ny Tenan’Andriamanitra mihitsy no ho avy hamonjy antsika

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no ho avy, dia hamonjy anareo”.

Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana
ireo navotan’ny Tompo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10

Eny, ry Tompo ô, faingàna hamonjy anay.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana,
Ilay manome sakafo ny noana,
dia ny Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ny Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly 5, 7-10

Ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
mahareta mandrapiavin’ny Tompo.
Jereo ange ny mpiasa tany,
izay manantena ny voka-tsoan’ny tany;
miandry amimpaharetana izy,
mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Aoka àry ianareo haharitra koa;
ary ankaherezo ny fonareo,
fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Aza mifampimonomonona, ry havamalala,
fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany
izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra,
ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka
amin’ny fandeferana sy ny faharetana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo:
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 11, 2-11

Ianao va ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy
hanao aminy hoe:

“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Mandehana ka lazao amin’i Joany,
izao zavatra renareo sy hitanareo izao:
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa,
sitrana ny boka, malady ny marenina,
atsangana ny maty, torîna amin’ny malahelo ny Evanjely,
ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”.

Nony lasa ireo,
dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa,
nanao hoe:

“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Indro any an-tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.
Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany?
Moa mpaminany va?
Eny, hoy Izaho aminareo,
ary ambony noho ny mpaminany aza,
fa izy no ilay voasoratra hoe:

Indro Aho
maniraka ny Anjeliko hialoha Anao
sy hamboatra ny lalanao!
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy,
mbola tsy nisy nitsangana
izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...