Sabotsy 3 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8

Ry kristianina havana ! Toy ny fanaon’ny Mpitory Vaovao Mahafaly rehetra dia nitety vohitra maro i Jesoa, nitory sy nanasitra amin’ny aretina rehetra na ara-nofo na ara-panahy. Fa nitory tany amin’ny sinagôga maro koa Izy, izay toerana natoka hivavahana sy natokana ho amin’izany. Efa manatanteraka ny nandaharan’Aandriamanitra Azy hataony moa i Jesoa, araka ny efa namaritana Azy any amin’ny Testamenta Taloha, indrindra ny Mpaminany (Izaia 61, 1…) ohatra, ary izany mihitsy no zava-mitranga tantarain’i Masindahy Matio eto. Anisan’ny miantso ny vahoaka i Jesoa tamin’izany fotoana izany ary mbola tohizin’ny Eglizy mandraka ankehitriny io antsoantsony mba hivavahantsika ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra io satria hoy Izy hoe : “ Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy ”. Hatramin’izao androntsika izao tokoa dia hita miseho ombieny ombieny izany fahamaroan’ny vokatra fa fahavitsian’ny mpijinja izany. Mahatsapa izany ny Ray Masina Fransoa ka miangavy antsika amin’izao Sinaody 2021–2023 izao ny mba hiara-mientana hikatroka ao amin’ny tanim-boaloboka hahatomombana ny fitoriana ny Fanjakan’ny lanitra efa akaiky sy ny antso amin’ny fibebahana ary fihainoana ny Evanjely. Manentana ny Papa ny hisoroantsika lalindalina kokoa hatrany ary ny mandeha lavitra, indrindra any amin’ireo ondry tsy misy mpiandry na ireo mbola tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mbola naharay ny Evanjely. Maro àry ny manandrify antsika amin’izany fitoriana izany ka samia miezaka miara-miasa amin’ny Eglizy amin’ny manandrify ny tsirairay mba hahalavorary izany asa fitoriana ao izany.

Tanteraka tao amin’i Jesoa izay voalazan’Izaia Mpaminany momba ireo fahagagana maro, indrindra ny fanasitranana ka nitondrany fiainam-baovao ho an’ny vahoaka izay mbola tsy fahita. Tsy miteny fotsiny i Jesoa na mitory fotsiny fa mijoro vavolombelona amin’ny asa fitoriana ataony. Ny fahagagana maro ataony dia fanaporofoana ireo fitoriany. Izany no ataony dia mba hampianarany ireo mpianany sy isika hanao toy ny nataony koa. Marina fa Andriamanitra i Jesoa ka tsy misy fahagagana tsy vitany fa na izany na tsy izany ny antso ataony amintsika amin’ny alalan’ireo filoha hita maso mpitarika ny Eglizy ankehitriny dia mba mba ho mpamafy fanantenana sy fiadanana ho an’ny olona isika indrindra manoloana ny endrim-piainana iainan’ny zanak’olombelona ankehitriny. Anisan’izany ny fahadisoam-panantenana maro vokatry ny tsy fandriam-pahalemana, ny fahakiviana vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana, very hevitra ny olona tsy mahita izay aleha sy hisarangotana manoloana ny tsindry maro atao azy ireo na mivantana izany na an-kolaka. Etsy an-danin’izany anefa tsy misy fiainana miova na mba mangirana ho azy ireo indrindra ny madinika fa ny manana dia manana hatrany fa ny mahantra dia mihosona amin’ny tany. Aiza ny lalan-komban’izy ireo ? Antson’ny Mpitory Teny efa hatry ny taloha ny hoe “Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra” fa Fanjakan’ny lanitra manao ahoana tokoa. Moa ve ilay vavaka fanaontsika isan’andro hoe “ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra” fa raha izay tokoa dia fanantenana manao ahoana ny amin’izany Fanjakan’ny lanitra asian’i Jesoa torintsika fa efa akaiky izany ? Aoka ary isika izay Eglizy ankehitriny miombona iraka amin’ireo Mpitarika antsika mba ho tena mpitondra fanantenana sy fiadanana ho an’ny olona rehetra tokoa indrindra amin’izao fotoanan’ny fiaviana izao.

Jesoa Tompo ô ! Maro tokoa ny vokatra araka ny filazanao ary be ireo diso fanantenana sy kivy amin’ny fiainana ankehitriny, koa mihanta aminao izahay, ampio izahay mba ho mpikatroka mafana fo hiara-miasa amin’ireo efa nantsoinao sy nofidianao mba hitondra fanamaivanana ho azy ireo ary hanamafy mandrakariva ny fitoriana ny Fanjakanao efa akaiky. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...