Manana drafitr'asa vaovao 2023-2025 hampandrosoana ny lalam-pihariana ronono manerana ny nosy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Natolotra tamin'ireo mpisehatra samihafa misahana ny fiompiana indrindra ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono, tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antanimena izany drafitr'asa vaovao izany ny 25 nôvambra 2022 teo... 

Nakana ny hevitr'ireo mpikambana eny ifotony ity drafitr'asa ity ka tanjona kendrena ny fandraisan'anjaran'ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara amin'ny fanjarian-tsakafo ny Malagasy ary afaka ihany koa mifaninana eo amin'ny tsena ny ronono vokarin'ny mpikambana. Resy lahatra ny MDB fa mbola malalaka ny tsena ho an'ny lalam-pihariana ronono. Vonona hameno banga ny mpisehatra saingy miantso ny Fanjakàna mba hiaro ny famokarana eto an-toerana manoloana ny fahamaroan'ny orinasa mampiasa ny vokatra ronono afarana any ivelany.

Nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny atrik'asa nanolorana ny drafitr'asan'ny MDB 2023-2025 ny tale jeneralin'ny Fiompiana, Lezoma Tsiry Andriamahatola. Natolotra nandritra ity fotoana ity koa ny fitaovana ho an'ireo dokotera veterinera miara-miasa amin'ny MDB ampiasain'izy ireo vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny mpiara-miombon'antoka...

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...