Talata 25 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21

♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainana anatin'ny Eglizy maneran-tany, ao amin'ny Sekreteram-panjakana ao Vatican, ny Visite Ad Limina, androany maraina... ♦ Efa misy ireo mpirakidraharaham-pitsarana miverina miasa, ary tsy maintsy hiatrika ny fahatapahan'ny karama ho an'ireo mbola miziriziry mampikatso ny raharaham-pitsarana, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany... ♦ Isika rehetra miray hina no afaka hanova ny tantara, hoy ny Filoha nasionalin'ny antoko MMM, tany Bealalana...

♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainan'ny Eglizy maneran-tany, ny Viste ad limina, ny 24 ôktôbra 2022... ♦ Notanterahana tany amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ny fanakalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny fampielezana ny finoana eto Madagasikara ny 22 sy ny 23 ôktôbra 2022... ♦ Nosokafan'ny Papa François tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 23 ôktôbra 2022 ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: ‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’ Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‘Amboary ny sakafoko, ary misikina hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’ Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’"

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...