♦ Miantso ny fampitsaharana ny fanapotehana ny firenena, izay mampitombo ny krizy ara-tsôsialy sy ara-toekarena efa iainanan'ny olom-pirenena amin'ny andavanandro, ny antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Mihatsara hatrany fivoaran'ny asa ataon'ny firaisamonim-pirenena eto Madagasikara, raha ny tatitry ny fanadihadiana tamin'ny taona 2021 notarihin'ny Voaary Salama... ♦ Hankalaza ny faha-100 taonany amin'ny taona 2023, ny Antilin'i Madagasikara. Hatomboka ny 22 marsa 2023 ny fankalazana ary hotohizina hatrany amin'ny taona 2024...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...