Ny fahaiza-mamantatra manokana ireo fironana na aingam-panahy ao anatin'ny tena hoe avy amin'Andriamanitra sa avy amin'ilay demony, mba hahafahana manaraka ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainana dia fandanjalanjana. Hoy Md Paoly Apôstôly : an'isan'ireo karisma na fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy masina ny fahaizana mandanjalanja. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alarobia 26 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30
♦ Nitsidika sampan-draharaha lehibe miisa roa tao Vatican ny Evekan'i Madagasikara, androany. Andro faharoa hanatanterahan'izy ireo ny Visite Ad Limina any Rôma... ♦ Tontosa androany teny amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ny famindram-pitantanana teo amin'Andriamatoa Randriamandranto Richard sy ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Manaitra ny Malagasy tsy an-kanavaka, ny mpitondra fanjakana, ny mpisehatra isan-karazny amin'ny tontolo iainana, ny fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana mba handray fepetra mahomby manoloana ny figongatry ny doro ala...
♦ Namaly an'Andriamatoa Norbert Lala Ratsirahonana ny mpanolontsaina manokan'ny filoham-pirenena, Soja Jean André, omaly. Niteraka resa-be ny teny nambaran'ny filohan'ny AVI milaza ny fiongànan'ny fitondràna tsy tohanany... ♦ Hitaky ny fisitrahana ilay famatsiam-bola hiatrehana ny fiovaovàn'ny toetr'andro miaraka amin'ireo tany Afrikàna i Madagasikara mandritra ny COP27. Manomana ireo fehin-kevitra entina amin'izany fivoriana iraisam-pirenena izany ny firenena malagasy amin'izao... ♦ Ankizy maherin'ny 400 000 isa no hahazo kilalao avy any ivelany amin'ny fiandohan'ny taona ho avy io. Anatin'ny tetik'asa karakarain'ny ONG TAK eto Madagasikara izy io...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco