Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 54, 1-10

Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao.

Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka;
mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza;
fa ny zanak’ilay nariana no maro,
noho ny zanak’izay manam-bady, hoy ny Tompo.
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao,
aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao,
ary aoreno mafy ny tsima-day!
Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao;
ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao;
ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao;
aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao;
fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao;
ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Tompon’ny tafika no Anarany,
ary ny Mpanavotra anao dia Ilay Masin’i Israely.
Andriamanitry ny tany aman-danitra no iantsoana Azy.
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao,
hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,
fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako
no nanafenako vetivety ny tavako taminao,
fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,
hoy ny Tompo Mpanavotra anao.
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,
nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe
tsy hiely intsony amin’ny tany:
toy izany koa no nianianako
fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra ka hihozongozona ny havoana,
ny fitiavako tsy mba hiala aminao,
ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,
hoy ny Tompo ilay mangoraka anao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô, nakarinao avy any an-tSeoly;
novelominao aho izay efa nitsìtra tany an-davaka.

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka! Isaory ny Anarany masina!
Indray mihelina Izy vinitra; tontolo fiainana manambina.
Hariva, mialin-tomany; maraina, velon-kalo.

Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho! Tompo ô, tahio aho!
Navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 24-30

I Joany no anjely manomana ny lalan’ny Tompo.

Nony lasa ny irak’i Joany,
dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy:

“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hozongozonin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana,
dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Mpaminany va?
Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.
Fa Izy no ilay voasoratra hoe:
Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao
mba hamboatra lalana eo alohanao.
Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy
tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista,
nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy.
Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina
na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany;
fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa
nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy
tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...