14 desambra — I Masindahy Jean de la Croix resahana androany dia ilay avy ao amin'ny fikambanan'ny Carmes. Juan de Yepes Álvarez no anarany, teraka ny 24 jona 1542 izy, tao Frontiveros, Vieille-Castille, tanana anelanelan'i Salamanque sy Avila. Gonzalo de Yepes sy Catalina Álvarez no anaran'ny ray aman-dreniny.

Manam-boninahitra mpitangin-tsoavaly tao amin'ny andriana espagnol io rainy io, fa narian'ny fianakaviana rehefa nanambady an'i Catalina satria nolazaina fa mandrorona. Nanenona landy no nataon'ity fianakaviana ity ho asa fivelomana. Nanjaka ny tsy fahampiana tamin'izany ka niaina tao anatin'ny mosary ny fiaraha-monina. Maty i Gonzalo, rain'i Jean ny taona 1545, ka nisy fiantraikany be teo amin'ny fiainan'ny fianakaviana izany. Nifindra tany Arévalo izy ireo, ary tany i Jean no nianatra nandrafitra sy nanjaitra. Tao ihany koa no nianarany ny asa sokitra sy ny hosodoko. Nihamafy hatrany ny fiainana ka nifindra tany Medina del Campo indray izy mianakavy kely. Niara-nitoetra tao moa i Catalina sy i Jean ary François rahalahiny sy i Ana, vadin'i François. Tao i Jean no nianatra namaky teny sy nanaoratra, tao amin'ny Collège des Enfants de la Doctrine, sady niasa tao amin'ny fiangonana izy tamin'izany mba ahafahana miantoka ny fianarany, manampy ireo relijiozy ihany koa. Nikarakara ireo mahatra tany amin'ny hôpitaly ihany koa i Jean. Tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa izy no nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny filôzôfia. Ary teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany dia niditra tao amin'ny fikambanan'ny Frères de la Vierge izy, tao amin'ny trano fitokana-monina tao Medina, ary tamin'izay no nandraisany ny anarana hoe Jean de Matthias. Tao no nahitany ny fitsipi-piainan'ireo Frères et Soeurs de Notre-Dame du Mont Carmel, ny lalan'ireo mpitoka-monina voalohany, izay fototry ny aim-panahin'ny fikambanana Carmel.

Tao amin'izany fikambanana Carmel izany no nahalalan'i Jean ny fiainana mibanjina, sy ny famolahan-tena ho an'ny fibebahana. Rehefa avy nanao voady izy, dia nalefa nanohy ny fianarana filôzôfia sy teôlôjia tany Salamanque, ary tamin'ny taona 1567 no nihaona tamin'i Thérèse d'Avila, mpanavao ny fikambanana Carmel, sampana vehivavy. Io fikambanana nihavao io no nantsoina hoe Carmel déchaussé. Nitady olona hanao ny fanavaozana ny sampana lehilahy i Thérèse d'Avila, ka i Jean de Matthias no nangatahany hanampy azy amin'izany. Tsy nisalasala i Jean fa nanomboka nihevitra ny fanavaozana, ka ny 28 nôvambra 1568 no tonga tao Duruelo, toerana nomen'i Thérèse d'Avila hanorenana voalohany io fikambanana navaozina io izy, ka nantsoina hoe Bethléem des Carmes io teorana io. Nanomboka teo no nandraisan'i Jean ny anarana hoe Jean de la Croix. Telo mirahalahy izy no nonina tao ka ny fanamian'izy ireo dia i Thérèse d'Avila ihany no nanamboatra sy nanjaitra azy : akanjo miloko volon-tany misy fehikibo, ny scapulaire an'ny fikambanana ary ny manteau fohy fotsy ny amboniny. Nanome toky izy ireo fa hiaina ny fitsipi-piainan'ny Carmes, izay fitsipi-piainana tamin'ny fotoanan'ny papa Innocent IV.

Raha fintinina dia tsy mora ny niainan'i Jean de la Croix ny fiainana maha relijiozy Carme azy, indrindra tao anatin'ny fanavaozana. Niezaka hatrany izy ho mendrika ny fanomezan-toky nataony. Ny taona 1570, niandraikitra ny novices tao Pastrana izy. Talen'ny kôlejy tao Alcala de Henares indray izy ny taona 1571. Tao aorian'izay, nandritra ny dimy taona no nitantanany am-panahy ireo Carmélites tao Avila. Nisy ny chapitre nataon'ny Carmes tao Plaisance tao Italie, nitady izay hevitra hanamelohana an'i Jean de la Croix ho mpiratika fikomiana, satria tsy te hankato ny fanavaozana nentin'ny Carmes déchaussés ireo Carmes chaussés. Ny 02 desambra 1577, nosamborina i Jean de la Croix, ary nohidina tao amn'ny monastera tao Tolède, tranon'ireo Carmes chaussés, nandritra ny sivy volana. Tamini'zany fotoana izany dia nokapohina sy nompaina izy mba hampihato ny fanavaozana, nefa tsy nanaiky izy. Ary tao aorian'ny 15 aogositra 1578 dia afaka tao ihany izy noho ny fanampian'i Masina Maria. Nitoetra tany Calvario izy, tany an-tendrombohitr'i Sierra Morena, tao Andalousie, ary namangy matetika ireo namany tao Beas de Segura. Ny taona 1579, nanorina kôlejy Carme tao Baeza i Jean de la Croix, ary telo taona tao aorian'io izy dia voafidy ho lehiben'ny Carmel des Martyrs tao Grenade, izay toerana nanorenany trano fitokana-monina. Ny taona 1585 dia Vicaire général tao Andalousie izy, ary lehiben'ny trano tao Ségovie ny taona 1588. Tao aorian'ny Chapitre général tao Madrid, ny taona 1591 dia nalefa tany Pamela i Jean. Narary izy ny 10 aogositra 1591, ary nalefa hotsaboina tany Ubeda. Rehefa niharitra ny hirifirin'ny aretina sy ny fitsaboana izy dia nodimandry ny zoma 13 desambra 1591, tamin'ny mamantonalina. Nalefa tany Ségovie ny vatana mangatsiakany avy eo. Ny taona 1675 ny papa Clément X no nanandratra azy ho olontsambatra, ary ny 27 desambra 1726 no nambaran'ny papa Benoît XIII ho olomasina izy. Ny papa Pie XI kosa no nanambara ampahibemaso tamin'ny 24 aogositra 1926 fa isan'ireo Mpampianatry ny Fiangonana i Masindahy Jean de la Croix.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...