Afaka mianatra ny fanetre-tena amin'i Masina Maria ihany koa ny mpianakavy. Nasehony nandritra ny fampakaram-bady tao Kanà, fa ny fikatsahana soa ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ny tena fotsiny no atao hoe fanetre-tena. Afaka mianatra fanetre-tena amin'ny alalan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ihany koa isika : fanomezana toerana bebekokoa ny hafa eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Zoma 9 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19
♦ Tsy raikitra ilay fitsipaham-pitokisana saika hataon'ireo Solombavam-bahoaka ny Governemanta Ntsay Christian. Misy tsindry avy any ambony ny tsy nahatanteraka izany, hoy ny Depiote Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Hampitomboina avo 5 heny ny simenitra vokarina any Ibity Antsirabe. Nampanantena ny Filoham-pirenena fa hidina 50% ny vidin'ny simenitra eto amintsika, afaka 3 taona... ♦ Misy mpitsara ambony sy mpitsabo mibodo tanin'olona 2 hekitara etsy Ampanataovana Ambohidratrimo. Nananganan'izy ireo trano sy nofefeny ny tany, na tsy nahazoana alalana tamin'ny Kaominia aza...
♦ Tsy tomombana ny fikarakarana ny fifidianana amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny antoko Tiako i Madagasikara, Ravalomanana Marc. Manamafy ny amin'ny tokony hanaovana ny fikaonandoham-pirenena hametrahana ny fitsipika hifehezana ny fifidianana ifanarahana izy ireo... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha nyFilohan'ny FIDA mandalo eto Madagasikara... ♦ Marihana andraony 08 desambra ny andro eran-tany ho an'ny toe-tany. Nanokana ity volana desambra ity hanaovana fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana iadiana amin'ny fihafanan'ny tany ny Orange Madagascar...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco