♦ Higadona eto Madagasikara rahampitso ireo mpilalao sy ny delegasiôn'ny Barea. Hisy ny fitsenana makotroka azy ireo ety Ivato mandram-pahatonga any Mahamasina, hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena... ♦ Mbola tsy voafaritra na hotanterahina amin'ity taona ity na tsia ny fifidianana Ben'ny tanàna, noho izy mifanindry amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Milaza ny tsy mahatapaka samy irery ny CENI, raha ny fanazavàn'ny filohany omaly... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe ny mponina avy amin'ny Kaominina Maromby, Distrikan'Amboasary-atsimo amin'ny afitsok'ireo Zandary anatin'ny CSAO izay mampandry tany any an-toerana, eto an-drenivohitra ny solonten'ny mponina nampahafantatra ny zava-misy...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...