Alahady 5 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona A — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Miditra amin’ny Alahady faha-5 mandavantaona ny Eglizy anio. Mampahatsiahy antsika kristianina i Jesoa mba ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao.

Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia maro ireo very hevitra satria tsy misy heviny aminy intsony izao fiainana izao ary mahatonga azy tsy te hiaina intsony. Mitady tsy hozakany ny hasarotan’ny fiainana sy ny fijaliana iaretany ka ny fahafatesana no hitany fa vahaolana amin’izany. Isika kristianina àry, no lazain’i Jesoa fa fanasina amin’izany, mitondra tsiro amin’ny mangidy izay iainan’izy ireo. Ny hafaliana ao amintsika no mila zaraina ho azy ireo. Ampahafantarina azy ireo fa lalana makany amin’ny fahamasinana ny fijaliana sy ny fahoriana ary hafaliana mandrakizay no tambin’izany.

Tsy ny ho fanasina ihany no takian’i Jesoa amintsika ho an’ny hafa, fa ny ho fahazavana ihany koa. Miaina ao anatin’ny haizina ny ankamaroan’ny olona, toy ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny herisetra, ny fanamparam-pahefana amin’ny madinika, sy ny maro hafa. Ny tenin’i Kristy, izay ao amintsika àry, no entina manazava, miady amin’ny haizina arakotr’izao fiainana izao. Ny oha-piainana asehontsika no tara-pahazavana entina manila sy mandresy lahatra ho an’ireo izay miaina ao anatin’ny haizina.

Hita àry, fa tsy mora tokoa ny ho tonga fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao. Iraka tena sarotra, satria mila mijoro ho marina sy manao soa ho an’ny hafa mandrakariva.

Tompo ô, ampio izahay mba ahafahana mijoro ho vavolombelon’ny fitiavanao amin’ireo rehetra manodidina anay.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...