♦ Laharana fahatelo ny Barean'i Madagasikara tamin'ny fandraisana anjara voalohany tamin'ny CHAN. Resin'ny ekipam-pirenena malagasy tamin'ny isa iray noho aotra, alina, i Niger tamin'ny lalao fiadian-daharana fahatelo amin'ny CHAN 2023... ♦ Nanome toky ny eo anivon'ny CENI omaly fa tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity. Mbola manana hatramin'ny faha-10 jona izao ny olom-pirenena tsy voasoratra hampiditra ny anarany anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Nandray ny asa tamin'ny fomba ôfiisialy ny Governora vaovaon'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Laharanam-pahamehana, hoy izy ny fijerena akaiky ny sandan'ny vola Ariary...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...