♦ Mamonjy tsikelikely ny tokantranony ireo traboina amin'ny Faritra maro eto amin'ny nosy vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza teto amintsika. Mihena ny isan'ireo ivon-toerana vonjy maika nandraisana azy ireny... ♦ Tsy laharam-pahamehana amin'ny Fanjakàna intsony ny famahana ny olana sedrain'ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra hoy ny SECES. Manomana paik'ady vaovao hanohizana ny fitakiana izy ireo... ♦ Nisedra fahasahiranana ny mpisehatra rehetra tamin'ny fanatanterahana ny fanoratana anarana nitetezana tokantrano nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy nifarana ny 31 janoary teo hoy ny ivon-toerana SAFIDY...

Ny atao hoe mibebaka dia mitady ny tsara na manahirana aza izany. Tsy ny fitsaratsarana ny fijerin'ny hafa no itondrana ny fiainana fa ny fitsaran'Andriamanitra, izany hoe mitady endrim-piainana vaovao tsy toy ilay mahazatra. Ny fitoriana an'Andriamanitra velona mifototra ao amin'ny hafatr'i Jesoa dia tokony ho ivon'ny fitoriana amin'ny endriny vaovao ihany koa. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Alakamisy 2 febroary 2023 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

♦ Efa mihena ankehitriny ireo ivon-toerana fandraisana vonjy maika ireo traboina, vokatry ny andro ratsy... ♦ Tsy hiroso amin'ny fitokonana toy ny mahazatra ny Sendika SECES, manoloana ny fitakiany fa manomana paikady hafa... ♦ Misy ireo olom-bitsy mahazo tombontsoa manoloana ny tsy fisian'ny mpividy lavanila any Mananara Avaratra, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...