♦ Hifarana anio alatsinainy ny fametrahana ny antontantaratasy eny amin'ny OVEC, eny anivon'ny Distrika ho an'ireo maniry ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana isika teto Madagasikara omaly 7 avrily... ♦ Efa manomboka midina ny vidin'ireo entana ilain'ny mponina andavanandro sasany raha ny nambaran'ny tale misahana ny varotra anatiny... ♦ Nankalaza ny tsingerin-taona faha-30, nanombohan'ny von'olona faobe tany Rwuanda ity firenena ity omaly... ♦ Feno 6 volana katroka omaly 7 avrily ny nanombohan'ny ady ifanandrinan'i Israely sy ny vondrona Hamas Palestiniana...
Misy endri-pinamanana môdely maro ambaran'ny Soratra Masaina : (Rota sy Nhemia) i Rota dia vinantovavin'i Nhemia ary azo inoana fa nisy fahasamihafana lehibe teo amin'izy ireo. Ankoatra izany, tsy nitovy ny fiaviany ara-kolontsaina. Na dia teo aza ireo tsy fitovian-kevitra ireo dia nanjary nifandray mafy tamin'ny fisakaizana izy ireo (Rota 1 : 16). Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
8 aprily 2024 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)
Misy roa karazana ny hetra : ny ara-pinoana sy ny ara-panjakàna, izay isan'ireo tokony arahina maso mba ho ara-dalàna ny fampiasana na fitantanana ireny. Ny fiangonana katolika dia sarotiny amin'ny fitantanana ny vola misy eo amin'ny fiangonana, omena famaizana izay manao ny tsy rariny. Manana adidy isika rehetra handoa ny hetra ara-pinoana sy ny hetra ara-panjakana toy ny sara sy haba, hetra trano sy tany, ny hetra ara-tsôsialy... Ny hetra dia isan'ny fomba azo hiarovana ny aina raha toa ka mandray an-tanana izany ny fanjakana mba ho fitsinjovana ny ain'ny hafa. Ny hetra sy ny fandoavana azy dia miteraka fandrosoana ho an'ny tanàna na faritra na ny fanjakana manontolo...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco