Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-16)

Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra eo anatrehan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany antendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia,
dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao.
Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo.”

Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy,
teo alohan’ny Tompo;
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny,
ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy.
Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe:

“Maninona aty ianao, ry Elia?”

Ary hoy ny navaliny:

“Feno hafanam-po ho an’ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho,
fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely,
ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra,
izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.”

Fa hoy ny Tompo, taminy:

“Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasy;
ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela,
hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsî,
ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safàta,
avy any Abela Meholà.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14

Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!
Iantrao aho, ka valio!
Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!

Aza afenina ahy, ny Tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 27-32)

Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia manota sahady.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

Ary efa voalaza koa hoe:
‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy;
ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...