♦ Tsy mahagaga raha mbola hihidy ny famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, taorian'ireny fihetsiky ny fitondrana tamina diplômaty vahiny ireny hoy ny VHT, tamin'ny fanehoan-kevitry ny filoha nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Olona 400 any ho any no voarohirohy amin'ny fananana azo avy amin'ny tsy rariny ho an'ny taona 2023, araka ny tatitry ny ARAI. Maro an'isa ny fanaovana kolikoly, sy ny fanodikodinana volam-panjakàna ary ny fanaparam-pahefana... ♦ Velaran-tany an'arivony hekitara no kasaina homena orinasa vahiny any an-tampon'i Ihorombe. Tsy manaiky izany ny fikambanan'ny mpiompy omby any an-toerana ka manaitra ny fitondràna ...
♦ Hifarana afaka 3 andro ny fe-potoana fanaterana antotantaratasy ho an'ireo hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024. Mbola tsy misy afa-tsy kandidà 1 na 2 no efa nanatitra izany eny anivon'ny OVEC... ♦ Tsy mandeha ny fiainan'ny orinasa JIRAMA, hoy ireo mpiasa ka ilaina ny fanendrena maika tale jeneraly vaovao. Nanao fanambaràna mitaky izany teny Ambohijatovo ambony ireo mpiasa sy ireo sendikàn'ny mpiasa am-polony, omaly... ♦ Efa voavaha ny olana ara-teknika an'ny famatsian-dranon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Hiverina anio farafahatarany ny famatsiana ho an'ireo toerana tsy nisitraka izany teto Antananarivo hoy ny Ministry ny rano...
Mahalala kokoa ny toetr'olona sady efa manana traik'efam-piainana ny ray aman-dreny ka manan-jo hametraka arofanina ho an-janany amin'ny fisokafana amin'ny hafa. Eglizy amin'ny endriny somary kely ny fianakaviana, manana adidy hampianatra ny finoana sy hampita fahalalana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
6 aprily 2024 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco