Vakiteny voalohany
Boky voalohan’ny Mpanjaka (Mpanj. 18, 41-46)
Nivavaka i Elia, ary nanome orana ny lanitra.
Tamin’izany andro izany, hoy i Elia tamin’i Akaba:
“Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.”
Dia niakatra hihinana sy hisotro i Akaba,
fa i Elia kosa niakatra ho any an-tampon’i Karmela,
sady niondrika tandrifin’ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan’ny lohaliny,
ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe:
“Miakara kely, tazano ny arý amin’ny ranomasina.”
Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe:
“Tsy misy na inona na inona.”
Ary hoy i Elia:
“Miverena koa impito.”
Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy:
“Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.”
Ka hoy i Elia:
“Mandehana lazao amin’i Akaba hoe:
Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.”
Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra,
dia latsaka ny oram-be,
ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.
Ary teo amin’i Elia ny tanan’ny Tompo ka nisikina izy,
dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba,
hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 64, 10abde. 10f-11. 12-13
Mendrika Anao, ry Andriamanitra ny dera ao Siôna.
Tonga Ianao ka mamangy ny tany.
Dia nanondraka rano sy harena:
Dibo-drano ny onin’ny lanitra
hahavokatra izay hojinjaina.
Dia nokolokoloinao ny tany:
Ny vava asa voatondrakao rano;
ka ny bainga narovanao tsara,
izay nafafy notsofinao rano.
Ary zina ny taona tontolo,
fa nandalo tokoa izany, Tompo;
dia ho lonaka erý ny tanety,
ny havoana mirenty haravoana.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.