Nitondra fampivoarana teny amin'ny tontolo ambanivohitra tamin 'ny alalan'ny fampitana ny teknikam-pamokarana samihafa ny fikambanana Fambolena sy Teknolojia any Ambanivohitra na ny FTA. Nampivoatra sy nampiova ny fomba fijeren'ny tantsaha momba ny famokarana ny haitao naparitak'izy ireo...
♦ Mampitandrina izay ho kandidà hirotsaka amin'ny anaran'ny antokon'ny fitondrana any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny fikambanana FATARA, fa tsy hahazo ny vaton'izy ireo intsony, teo anatrehan'ny nanasorana an-dRamatoa Christine Razanamahasoa tsy ho Solombavam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo kôperativa sasany mampitohy ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena faha-6, no nanapa-kevitra tsy hiasa hatramin'ny fotoana nahatapaka ny làlana... ♦ Nanainga androany hiazo ny faritra avaratry ny nosy ireo fanampiana ho an'ireo tra-boina sy nitondra takaitra tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane...
Zava-dehibe ny fandraisana anjara sy fanomezan-danja ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia manana tetik'asa efatra ka isan'izany ny fikarohana sy fikirakirana tahirin-kevitra, mahakasika ny tontolo iainana, ny fampandrosoana lovain-jafy, ny hai-tondra sy ny hai-taky, eo koa ny fampiofanana. Ny fikarohana dia isan'ireo fototra lehibe entina handraisana fanapahan-kevitra mahomby ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena ; fitaovana entina mamantatra ny filàna sy ny zava-misy... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Niakatra 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra, antony mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafo, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Olona roa no fantatra fa voasambotry ny mpitandro ny filaminana, nandritra ny hetsika nataon'ny mponina teny amin'ny Kaominina Alasora omaly, noho ny olan'ny tsy fisian'ny rano... ♦ Miandry fatratra ny famoahan'ny Minisitera mpiahy, ny daty hanatanterahana ny fifaninana handraisana mpirakidraharaham-pitsarana, ny sendikà SGM...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco