Talata 30 marsa 2021 — Talata masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38

Alatsinainy 29 marsa 2021 — Alatsinainy masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11

Alahady 28 marsa 2021 — Fandinihana ny fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 15, 1-39

Tamin'ny 24 marsa 2021 no andro maneran-tany hiadiana amin'ny raboka. Ity farany dia aretina mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora avy amin'ny olona mitondra ny otrik'aretina. Ny fambara mety hiseho dia koho-davareny mandritra ny roa herinandro, mihamahia, misy hafanana, misy rehoka fa tsy maintsy manao fitiliana mba hamatarana ny tena aretina marina sao fambaran'aretina hafa mihitsy... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...