Talata 30 marsa 2021 — Talata masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38

Ry kristianina havana ! Nifampizara ny manta sy ny masaka tamin’ireo Apôstôly mpianany tokoa i Jesoa, ka raha eto amin’ity sakafo iarahany mihinana amin’ny mpianany ity, dia tsy fanasana toy ny misy mahazatra indraindray no hita fa tena fiarahan’ny mpirahalahy misakafo tokoa. Ary dia tsy ampihambahambana tokoa i Jesoa milaza amin’izy ireo ny alahelony izay nampangorohoro ny fony ; satria dia isan’ireo fototry ny fijaliany ny mpianany sasany. Endrey izato fahalemen’ny mpianatr’i Jesoa : voasongadina miavaka tsara i Jodasy sy Piera eto. Miverimberina moa ny momba an’i Jodasy amin’izao herinandro masina izao mba hampatsiaro antsika ireo toetra na fomba maro izay tokony ezahatsika hialana, satria tsy maneho fitiavana velively fa miteraka fijaliana izay mety hiafara amin’ny fahafatesan’ny hafa mihitsy aza.

Tsy miafina amin’Andriamanitra izay ataontsika, fantany ny ao am-pontsika ary fantany hatramin’izay irintsika hatao. Ka aoka isika tsy hihevitra ho toy ny lohasaha mangina amin’izay hataontsika rehetra na ratsy na tsara, fa hitan’Andriamanitra sy fantany avokoa izany, na dia tsy fantatry ny olona manodidina antsika aza. Eto mantsy, efa milaza tsotra i Jesoa hoe, hamadika ahy ny iray aminareo, nefa mbola hafa ihany ny fandraisan’ny mpianatra sasany azy, raha niteny tamin’i Jodasy Izy hoe : “tanteraho faingana izay hataonao”. I Jodasy dia nambarany mazava teo fa hamadika azy, ary i Piera kosa izay nanizingiziny fa tsy handao azy na hatramin’ny fahafatesana aza, nefa dia nambarany fa handà Azy intelo ihany koa. Fitiavan-tena no nahatonga an’i Jodasy hamadika an’i Jesoa, fa ny an’i Piera kosa indray tahotra ny hiaraka ho faty Aminy. Ny fitiavam-bola sy ny fifikirana na firaiketana amin’ny zavatry ny tany no mahatonga antsika olombelona handà an’Andriamanitra na tsy hanaraka ny lalany. Io fitiavam-bola io no mahatonga ny sasany hanao izao asa ratsy isan-karazany izao, tsy hilaza ny marina, hanambaka ny madinika, sy ny hafa rehetra, eny fa na dia ny aina aza ka mamono olona tsotra izao. Toa tsy ao an-tsaina akory fa fandalovana ary fanomanana ny fiainana mandrakizay izay tena izy ny eto an-tany. Noho izany, aoka isika handini-tena mandrakariva, eo anatrehan’ireo fahalemena sy fahazaran-dratsy mpahazo antsika, ary tsy hatahotra ny ho faty miaraka amin’i Jesoa raha izany no hahasambatra ny fanahintsika.

Andriamanitra ô, amin’izao vanim-potoana iandrandranay ny Paka izao, ampianaro hikatsaka ny fiainana mandrakizay izahay. Ka na dia mampiasa ny vola sy ny zavatry ny tany aza izahay, dia mba hampiasa izany amim-pahendrena sy amim-pahamarinana. Ampio koa izahay tsy hisalasala hanolotra ny ainay ho Anao. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...