• Nihemotra ny fahatongavan'ireo biletà tokana sy ireo antontan-taratasy saropady hampiasaina amin'ny fifidianana. Tsy tonga omaly ny fiaramanidina tokony hitondra izany...
  • Mitaky ny mangarahara amin'ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2025, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena CCOC... Namoaka fanambarana izy ireo omaly...
  • Mety hisy andro ratsy hiforona any afovoan'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...

Ny vavaka maharitra araka ny Baiboly dia azo faritana ho vavaka mitohy sy maharitra, izay tsy mihozongozona na eo aza ny zava-tsarotra. Ny vavaka maharitra dia fampiharana ny finoana izay ahitana fifikirana tsy tapaka, fitokiana an'Andriamanitra, ary fahatapahan-kevitra hanohy hivavaka.... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

12 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

Mpinamana i Nambinina sy Fidy ary mifampizara ny olana misy matetika ; rehefa nihevitra fa ialonan'ny zokiny itsy farany dia nanapa-kevitra fa handeha hiasa any an-drenivohitra na tsy misy fantany aza izay hiandry azy any. Nosokajian'i Nambinina ho sedra tsy maintsy lalovany ny dia sy ny asa hataony any an-drenivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...