♦ Tonga nanohana ny antson'ny mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra ireo olona leo delestazy sy tsy fisain'ny rano. Tsy tafiditra teo amin'ny toerana nifampitaonana nefa izy ireo... ♦ Nanao ady sisika manokana ny amin'ny tokony hanalavana ny AGOA ny filoha Malagasy nandritra ny fandraisam-pitenenany amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Tsy ho an'i Madagasikara ihany fa ho an'ireo tany mivondrona ao amin'ny SADC hoy izy... ♦ Mikarakara fihaonana momba ny siansa sy ny famokarana eny ambanivohitra ny FTA, iarahana amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ny ESS ABC sy ireo mpiara-miombon'antoka...

Ho fampandrosoana ny firenena dia manana adidy ny olona rehetra 18 taona noho miakatra hampiseho fihavanana fifanampiana, finiavana mitondra amin'ny fitiavana azoana vokatra tsara. Raha tiana ny handroso dia sahia manonofy, fa ireny no zary tanjona. Ny finoana dia isany solika mpandrisika ny olona hivoatra satria ny nofinofy tonga tanjona ary ireo ombana finoana no hatontosana izay kasaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tafapetraka ny fitoriana fandavana ny fanapahan'ny OMC hoy ireo nanao fangatahana amin'ny hetsika Ambohijatovo anio. Tsy mihemotra ireo mpanolon-tsainan'ny tanàna nametraka izany. Nampitandrina ny OMC fa handray fepetra hentitra amin'ireo mandika lalàna izy ireo... ♦ Tsy vahaolana ny fanakanan'ny mpitondra ny hetsika hanehoan'ny vahoaka ny alahelony hoy ny Antoko Kintana. Miantso ny mpitondra sy ny prefektiora hamela malalaka ny olom-pirenena haneho ny heviny amin'ny fahasahiranana mahazo azy koa hoy ny Leader Fanilo... ♦ Velon-taraina ny mpivarotra nesorina tao amin'ny bazary Ankirihiry any Toamasina...

Ao amin'ny Soratra Masina, miteny amin'ny olombelona araka ny fomban'olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin'ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak'Andriamanitra haseho antsika amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo. Tsy maintsy vakina sy voasana eo ambany fahazavan'ny Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...