• Nankahery ny pretra hijoro ho vavolombelon'ny fahasoavana azo avy amin'ny fanosorana, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny Sorona Masina nanamasinana ireo menaka masina androany teny amin'ny EKAR Antanimena... • Mbola tsy misitraka ny rano fisotro madio ny 40 isan-jaton'ny Malagasy hatramin'izao. Fantatra izany androany, nandritra ny fanokafana ny Herinandrom-pirenena momba ny rano... • Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitirny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine...

♦ Miakatra fitsaràna ao Vatomandry amin'ity androany ity ireo olona miisa telo voasambotra nandritra ny hetsika fanoherana ny fametrahana samboadin'ireo ben'ny tanàna tany an-toerana ny sabotsy 12 avrily lasa teo... ♦ Efa mipetrapetraka avokoa ireo paik'ady hitandroana ny filaminana mandritra ny fivoriana fahadimin'ireo filoham-panjakàna aty amin'ny vaomieran'ny ranomasimbe indianina hoy ny talen'ny fiarovana sy ny angom-baovao anivon'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Miisa 12 ankehitriny ireo vokatra vita eto an-toerana misitraka fiarovana avy amin'ny ANMCC noho ny fitobaky ny vokatra avy any ivelany manimba ny tsena atao anatiny...

Ny fivoaram-piainan'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana homena azy. Ny hoe "mankatoa" dia ahitana foto-teny hoe "toa" manaiky amim-pitiavana. Tsapa amin'ny fihetsika sy ny teny ny fankatoavana ataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny antony mahatonga ny ankizy tsy hakantoa : ny fampitoviana ny fomba fiaina tamin'ny taona taloha sy ny ankehitriny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Mikendry ny hanavaozana ireo fitaovam-pitiliana sy singa mandrafitra ny famantarana ny toetry ny andro ny tetik'asa SOFF, tetik'asa izay vatsian'ny PNUD vola hatrany amin'ny 5 tapitrisa Dollar... ♦ Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanavaozana izay nataon'ny Fanjakàna Malagasy tamin'ny FEC sy FRD hoy ny solotenan'ny iraky ny FMI tonga teto Madagasikara... ♦ Tokony hanana fanolorantena iombonana amin'ny fitantanana mahomby sy mangarahara ireo orinasa hananan'ny Fanjakàna petra-bola hoy ny Praiministra Ntsay Christian raha nihaona tamin'ireo mpikambana amin'ny filan-kevim-pitantanana an'ireo orinasa omaly...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...