• Mankasitraka ny fanehoan-kevitra an-dalambe ny Solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka. Tsy tokony hitarika amin'ny fanimban-javatra kosa izany, hoy ity depiote voafidy tany Toamasina ity. Tsy ny Jirama no olana, hoy izy, fa ny fomba itantanan'ny mpitondra azy... • Nomelohin'ny fikambanan'ny Taxi miasa ao Antananarivo Renivohitra, ny fomba nisamborana ny filohany, Clémence Raharinirina. Miendrika herisetra ny natao ka tsy azo ekena izany, hoy ny FTAR... • Manahy ny amin'ny ho avin'ny tanora sy ny ankizy, ny mpandinika fiaraha-monina Lanto Ratsida, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Marefo ara-tsaina sy ara-toekarena ny ankamaroan'ny Malagasy, hoy izy, ka tsy afa-mihetsika intsony manoloana izany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...