♦ Mety hihemotra ny daty farany handraisana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina, manoloana ny fahavitsian'ny kandidà efa nahatontosa ny fametrahana antotan-taratasy... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny sambo hitaterana entana ny paositra Malagasy atsy ho atsy, iatrehana amin'ny fifaninanana... ♦ Mpiasa miisa 244 no nampihatoana ara-teknika teny amin'ny orinasa afakaba teny Ankadikely-Ilafy... ♦ Nandefa tifitra MISSIL niainga avy any Yemen tany afovoan'i Israely omaly maraina ny vondrona mpihoko Houthis izay tohanan'i Iran... ♦ Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 8 no maty, ary 6 hafa naratra nahiditra hopitaly vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra azy ireo tany La Manche...

Mamaly foana ny vavaka Andriamanitra: anio, rahampitso, mamaly foana Izy, amin'ny fomba samihafa. Averin’ny Baiboly imbetsaka izany: Mihaino ny fitarainan’izay miantso Azy Andriamanitra. Eny, na dia ny fangatahanatsika manahirana indrindra, izay mahamenatra antsika; ilana faharetana lalandava, ny fiandrasana ny valim-bavaka. Na ny fahafatesana aza mangovitra rehefa mivavaka ny Kristiana... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

16 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitoriteny (Mpitor. 11, 9 — 12, 8)

Tsarovy ny Mpahary anao amin’ny fahatanoranao, dieny mbola tsy mivarina amin’ny tany ny vovoka, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra.

Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora;
aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao!
Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao, sy araka izay fijerin’ny masonao.
Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.
Esory ao am-ponao ny alahelo, ary halaviro ny vatanao ny ratsy,
samy zava-poana ny hatanorana am-pahamaitsovolo.

Tsarovy ny Mpahary anao, amin’ny andron’ny fahatanoranao,
dieny mbola tsy tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe:
“Tsy sitrako izao”;
dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana,
ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian’ny orana,
amin’ny andro angovitan’ny mpiandry trano,
ikainkonan’ny lehilahy matanjaka, iatoan’ny ankizivavy mitoto,
fa mihavitsy isa;
ihamaizinan’ireo mitazana eo am-baravarankely, ikatonan’ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalam-be,
raha mihamalemy ny feon’ny vato fikosoham-bary,
izay itsanganan’ny olona mandre ny feon’ny voron-kely,
sy ahalasanan’ny ankizivavy mpihira rehetra.
Amin’izay atahoran’ny olona ny eny amin’ny fitoerana avo,
izay ivadihan’ny olona fo eny an-dalam-be,
amin’izay amonian’ny amandie, sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra
ary tsy hisy asany intsony ny kapra,
fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona,
ary mitety ny arabe ny mpitomany;
dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy,
mbola tsy vaky ny tamboho volamena,
mbola tsy vaky ny siny eny an-doharano,
mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;
dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray,
ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny,
zava-poana ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 89, 3-4. 5-6. 12-13. 14 sy 17

Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao.
Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,
manipelana maraina, vaky vony sy mijoro,
fa milofika malazo, very aina ny hariva.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,
hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

Tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
raha ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny ny vahoaka rehetra,
dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao,
satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona.”

Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany,
sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...