• Nanamafy ny Fiaraha-miasa teo aminy ny sendikan'ny Indostria Malagasy na ny SIM sy ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria Frantsa sy Madagasikara na ny CCIFM. Nisy ny fifanarahana nosoniavina momba izany...
  • Hitombo 10 tapitrisa ka ho lasa 24 tapitrisa ny isan'ny ankizy eto Madagasikara amin'ny taona 2050. Tatitra nataon'ny UNICEF momba ny ho avin'ny ankizy manoloana ny fiovana eran-tany...
  • Namono raim-pianakaviana 25 taona ilay rotsak'orambe nitranga teo an-drenivohitra ny zoma lasa teo ; omaly no natao ny fandevenana azy...
  • MIrohatra miverina amin'ny toerana nisy azy indray ireo teratany libanais nandao ny toeram-ponenany noho ny fanafihana nataon'ny Israelianina ny tanàna misy azy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...