Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitoriteny (Mpitoriteny 3, 1-11)

Misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro.

Samy misy fotoana voatendry ho azy avokoa ny zavatra rehetra;
misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra ayý ambany masoandro:
fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana;
fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.
Fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana;
fotoana hanjerana ary fotoana hananganana;
fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana;
fotoana higogogogoana ary fotoana handihizana.
Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy;
fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana.
Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana;
fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.
Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana;
fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.
Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana;
fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

Inona no soa azon’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany?
Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona;
ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy;
ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa,
nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra
hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 143, 1a sy 2abd. 3-4

Isaorana ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo vatolampiko,
Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy,
fiarovana avo ho ahy sy mpanafaka ahy!
Ilay ampinga sy aroko.

Tompo ô, inona ny olombeloria no dia ahìnao?
ny zanak’olombelona voaarakao maso?
Ny olombelona dia toa tsio-drivotra;
ny androny, aloka mihelina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 18-22)

Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany,
dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:

“Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?”

Ary namaly ireo ka nanao hoe:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia,
ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona.”

“Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao hoe:

“I Kristin’Andriamanitra.”

Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona,
sady nampiany hoe:

“Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona,
ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny;
fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 5-11)

Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny famonjena namana.

Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahan’ny Tompo?
Tsy izao va ny fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-andrariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorìna ho afaka;
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;
sy ny hampiantranoana ireo mahantra tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodi-lalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: Inty aho!
Raha esorinao tsy ho eo imasonao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay;
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,
sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra ny olona miaraka amin’ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina;
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay.
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!
Fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy amin’ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
sy fahamasinana amam-panavotana antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
izay mireharaha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy
toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitoriteny (Mpitoriteny 1, 2-11)

Tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.

Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny,
zava-poana dia zava-poana!
Zava-poana ny zavatra rehetra.
Inona no soa azon’ny olona, amin’ny fisasarana rehetra ikezahany aty ambany masoandro?
Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray.
Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.
Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro,
ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany,
dia miposaka avy ihany indray.
Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray,
ka manomboka mihodina toraka ny teo.
Mankany amin’ny ranomasina avokoa ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina;
any amin’ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka.
Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina;
ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.
Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao no hatao,
fa tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.
Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany!
dia efa nisy sahady tamin’ny taonjato talohantsika izany zavatra izany.
Ny taloha tsy tsaroan’ny olona;
ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana,
ao amin’izay ho velona rahatrizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 89, 3-4. 5-6. 12-13. 14 sy 17

Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry.
Manipelana maraina, vaky vony sy mijoro.
Fa milofika malazo, very aina ny hariva.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy, mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava.
Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,
hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

Nasaiko notapahin-doha i Joany, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao?

Tamin’izany andro izany,
i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa
ka tsy hitany be ihany izay hevitra,
fa ny sasany nanao hoe:

“I Joany no nitsangan-ko velona”;

ny sasany nilaza hoe:

“I Elia no niseho”;

ary ny sasany nanao hoe:

“Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.”

Dia hoy kosa i Herôda:

“Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy,
ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?”

Dia naniry hahita Azy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 30, 5-9)

Aza misy omena ahy na ny fahantrana, na ny harena, fa izay hanina ilaiko no omeo ahy.

Voazaha toetra amin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra;
ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.
Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny;
sao anariny ianao, ka ho hita fa mpandainga.
Zavatra roa no angatahiko aminao,
ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:
Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga;
aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena.
Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe:
Iza moa ny Tompo?
ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra,
ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 29 sy 72. 89 sy 101. 104 sy 163

Fanilo ho an’ny tongotro ny Teninao.

Halaviro ahy ny lalan’ny lainga;
ny lalànao no aoka hanenika ahy!
Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny Vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo;
eny, mateza toy ny lanitra!
Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro,
mba hitandremako ny Teninao!

Ny lahatrao no nahazoako fahalalana:
hany ka halako ny lalam-pitaka rehetra!
Halako sy mahadikidiky ahy ny lainga;
fa ny lalànao no tiako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

Nirahiny izy ireo hitory ny fanjakan’ny lanitra sy hanasitrana ny marary.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:

“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo.”

Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...